Temps de lecture : 5 minutes

Ny 4 Septambra 2026, nivory tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka voakasiky ny Singa Nomerikan’ny Tetikasa DECIM (Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar), ho fanamarihana ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Fandaharanasa Andrana Laptop ho an’ny Mpianatra.

Natao ho an’ireo mpianatra mahazo vatsim-pianarana amin’ny ambaratonga Master ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa ity fandaharanasa ity. Ny tanjona dia ny hanamora ny fahafahan’izy ireo mahazo ireo fitaovana nomerika ilaina amin’ny fianarana sy amin’ny fanomanana ny fidirany eo amin’ny sehatry ny asa.

Amin’izao vanim-potoana izao, ny fananana solosaina finday dia lasa fitaovana tena ilaina ho an’ny mpianatra, indrindra amin’ny fanaovana fikarohana, fanomanana ireo asa eny amin’ny oniversite, fanoratana ny mémoire, ary fampivelarana ireo fahaiza-manao nomerika.

Mba hamaliana izany filàna izany, ny Fandaharanasa Andrana Laptop dia manolotra rafitra ahafahan’ny mpianatra mahazo solosaina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola amin’ny endrika trosa misy fanohanana ara-bola, ka mpianatra 1 400 no afaka misitraka izany. Ny solosaina finday vaovao dia azo alaina araka ireto fepetra manaraka ireto :

  • fandoavana petra-bola raikitra amin’ny fotoana anaterana ny solosaina ;
  • fandoavana tsikelikely mandritra ny 12 volana.

PAOSITRA Finances, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa, no voatendry hampihatra ity dingana andrana ity mandritra ny fe-potoana manodidina ny efa-bolana.

Tohanan’ny Tahirim-bola DECIM, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana Malagasy, indrindra fa ireo laharam-pahamehana napetraky ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT).

Fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra maro

Ny fahombiazan’ity fandaharanasa ity dia miankina amin’ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro, anisan’izany ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Oniversiten’Antananarivo, ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ireo fikambanan’ny mpianatra, ary ny PAOSITRA Malagasy.

Ity fiaraha-miasa ity dia ahafahana mampifanakaiky kokoa ny fandaharanasa amin’ireo mpianatra, ary manamora ny fanatanterahana izany mivantana eny anivon’ireo toeram-pianarana voakasika.

Hafatra lehibe nandritra ny lanonana fanombohana

Nampiavaka ny lanonana ofisialy ny fandraisam-pitenenan’ireo tompon’andraikitra sy olo-manan-kaja maro, izay samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ity hetsika ity ho an’ny tanora mpianatra Malagasy.

« Ho an’ny mpianatra amin’ny ambaratonga Master, tsy rendrarendra ny fananana solosaina. Amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Tahirim-bola DECIM sy PAOSITRA Finances, dia lasa fitaovana ahafahana mahomby sy mora tratrarina kokoa ho an’ny mpianatra izany. Ao ambadik’ireo solosaina 1 400 ireo, dia misy lalam-piainana 1 400, tetikasa 1 400 ary tanjaka 1 400 izay tohanantsika. » SEM Radonirina Lucas RABEARIMANGA, Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo

Etsy ankilany, Atoa Odilon NDREMANJARY, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny PAOSITRA Finances, dia nanasongadina ny lafiny roa lehibe entin’ity fandaharanasa ity :

« Ity hetsika ity dia ahafahana manome ireo mpianatra fitaovana nomerika izay manana anjara toerana lehibe amin’izao fiafaran’ny fianarana izao. Hampiasaina izany amin’ny famitana sy fanamafisana ny asa fikarohana sy ny mémoire, saingy ahafahan’ny mpianatra tsirairay ihany koa miaina ny traikefany voalohany amin’ny resaka trosa, ka mampivelatra ny fahalalana momba ny fitantanana ara-bola sy ny fahatsapana andraikitra. »

 

Ahoana no ahafahan’ny mpianatra misitraka ny fandaharanasa ?

Mba hanamorana ny fandraisan’anjaran’ireo mpianatra liana sy hiantohana ny fanohanana azy ireo mandritra ny dingana rehetra, dia napetraka ny dingana maromaro amin’ny fahazoana ny solosaina.

1. Fampahafantarana sy fanentanana eny anivon’ny oniversite

Hisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana karakaraina eny anivon’ireo oniversite voakasika. Amin’izany no hanazavana amin’ireo mpianatra ny votoatin’ny fandaharanasa, ny fomba fanatanterahana azy ary ireo fepetra takiana hahafahana misitraka izany.

2. Fisoratana anarana sy fanangonana ny antontan-taratasy

Aorian’izany dia hapetraka eny anivon’ny toeram-pianarana tsirairay ny toeram-pandraisana finday, hahafahan’ireo mpianatra liana misoratra anarana sy manomana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana trosa, mivantana eny an-toerana.

3. Sonian’ny fifanarahana sy fandoavana ny petra-bola

Rehefa voamarina sy nekena ny fangatahana, dia manatanteraka ny dingana manaraka ny mpianatra, ka mandoa ny petra-bola eny amin’ny biraon’ny Paositra (200 000Ar).

4. Fanomezana ny solosaina

Rehefa vita ireo dingana takiana, dia atolotra mivantana eny anivon’ny toeram-pianarana ny solosaina finday. Izany dia natao hanamora ny fahazoan’ireo mpianatra misitraka ny fitaovana.

5. Fanaraha-maso ny famerenam-bola

Mandritra ny fe-potoana famerenam-bola, dia hisy fanaraha-maso isam-bolana ataon’ireo mpiasan’ny PAOSITRA Finances, mba hanohanana sy hanoroana ireo mpianatra amin’ny fanatanterahana ny adidiny ara-bola.

Dingana andrana hanomanana ny fanitarana ny fandaharanasa

Ankoatra ny tanjona apetraka amin’izao dingana voalohany izao, ity dingana andrana ity dia fotoana iray ahafahan’ireo mpisehatra rehetra voakasika miara-mianatra sy manatsara ny fomba fanatanterahana ny fandaharanasa.

Hahafahana mandrefy sy manombana ny fahombiazan’ny rafitra napetraka izany, mamantatra ireo lesona azo tsoahina nandritra ny fanatanterahana azy, ary mamaritra ireo fanatsarana ilaina ho amin’ireo dingana manaraka, indrindra amin’ny tanjona hanitarana ny fandaharanasa amin’ny sehatra lehibe kokoa.

 

Fanamafisana ny fampidirana nomerika sy ara-bola

Mihoatra noho ny fanamorana ny fahazoana fitaovana informatika, ny Fandaharanasa Andrana Laptop ho an’ny Mpianatra dia mitondra vina mivelatra kokoa : ny fandraisana anjara amin’ny fampidirana nomerika sy ara-bola ho an’ny tanora Malagasy.

Amin’ny alalan’ny fanamorana ny fahazoana solosaina finday sy ny fanomezana fahafahana ho an’ireo mpianatra hiaina ny traikefany voalohany amin’ny fampiasana tolotra ara-bola amin’ny endrika trosa, dia mikendry ny hanome azy ireo fitaovana sy fahafahana bebe kokoa ity fandaharanasa ity mba hahafahany mianatra, mampivelatra ny fahaiza-manaony, manatanteraka ny tetikasany ary miomana amin’ny hoaviny eo amin’ny sehatry ny asa.

Solosaina 1 400. Lalana 1 400. Tanjaka 1 400.