Ianao paré, vinanao tratra e !

Tongasoa eto amin’ny PAOSITRA Finances !

 Satria ny Malagasy tsirairay dia mendrika ny hisitraka tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filàny, resy lahatra izahay fa ny fampandrosoana ara-bola sy ara-tsosialy dia manomboka amin’ny fampiatiana ara-bola, ny PAOSITRA Finances dia manao fanamby ny hanome tolotra tsotra, azon’ny rehetra idirana ary tsy manavaka.

Manakaiky anao hatrany no soatoavina lehibe ho anay, Manana fanamby ny hanenika ny masoivoho 250n’ny Paositra Malagasy mba hanakaikezana anao hatrany.

Mihoatra ny maha mpisehatra ara-bola anay, izahay dia mpiara-miombon’antoka  azo antoka :

Ka na miasa mandray karama isam-bolana ianao, na miasa tena, na olon-tsotra, na fianakaviana, dia miara-dalana aminao izahay miaraka amin’ireo tolotra omenay izay mihavao isan’andro.

Fantaro ireo vahaolana amin'ny famatsiana ara-bola mifanaraka amin'ny filanao

Na mpandray karama isam-bolana na mpandraharaha, ireo fampindramam-bola atolotray dia manampy anao hanatontosa ireo tetik'asanao.

Ireo vaovao farany

pf1
Lalana vaovao amin'ny fifamezivezena : Mifampitanantana ny PAOSITRA Finances sy ny Auto Import amin'ny hahafahana mividy moto YCF sy Nitro, aloha tsikelikely
Amin’ny vanim-potiana ankehitriny dia zava-dehibe ny fananana fahaleovan-tena mivezivezy, ny asa sy ny fampiroboroboana ara-toekarena; PAOSITRA Finances sy ny Auto Import dia nanambara...
Tohiny...
Manakara
Dingana vaovao hoan'ny PAOSITRA Finances, mitodidoha amin'ny faritra FITOVINANY
Ny 31 mey 2025, dia nosokafana tami’nny fomba ofisialy ny masoivoho faha-23n”ny PAOSITRA Finances izay ao Manakara Be, Tananan-dehibe 8 araka izany ankehitriny no misy ny...
Tohiny...
Toliara1
PAOSITRA Finances manohy ny fiparihahana any Toliara
Dingana vaovao hoan’ny fimparihahan’ny PAOSITRA Finances manerana ny nosy ny 23 mey 2025 lasa teo , satria dia nisokatra ao Toliara ny masoivoho faha 22-ny PAOSITRA Finances. Eo amin’ny...
Tohiny...

Fanontaniana matetika

PAOSITRA Finances dia ivon-toerana manao “microfinances”, zanaky ny Paositra Malagasy. Ny tanjony dia ny manome tolotra ara-bola vaovao ho fanomezana vahaolana amin’ny filan’ny mpanjifa, miaraka amin’ny vina ny hanomezana ny vahoaka Malagasy fahafahana misitraka tolotra ara-bola manokana, manampy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy.

Ny Masoivohon’ny PAOSITRA Finances dia hita ao amin’ny masoivohon’ny Paositra Malagasy, jereo eto ny lisitra feno. Faly sahady ny ekipanay mandray anao sy manampy anao.

Ny PAOSITRA Finances dia manome fampindramam-bola ho an’ny mpiasa tena sy mpandraharaha:

Crédit KETRIKA : fampindramam-bola ho an’ny olona maniry hahazo fitaovana, kojakoja fanorenana ary zavatra hafa ilaina amin’ny asany. Natokana ho an’ny mpiasam-panjakana, mpiasam-panjakana misotro ronono ary mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina izany.

Vola azo ekena : eo anelanelan’ny 500.000 Ar hatramin’ny 10.000.000 Ar.

Fe-potoana famerenana : 6 hatramin’ny 30 volana.

Crédit HERIJIKA : famatsiam-bola ho an’ny asa ara-toekarena toy ny varotra, asa tanana, fitaterana an-tanàn-dehibe, toeram-pisakafoanana sy ny maro hafa.

Vola azo ekena: eo anelanelan’ny 1.000.000 Ar hatramin’ny 50.000.000 Ar.

Fe-potoana famerenana: 6 hatramin’ny 24 volana.

Fantaro eto ireo tolotra misy.

Ny fanaovana findramam-bola dia fanekena mitaky famerenam-bola. Alohan’ny andraisanao fanampahan-kevitra, jereo tsara ny fahafahanao mamerim-bola mba hisorohana ny mety ho vesatra ara-bola fanampiny. Faly hanampy anao hanao ny kajy mifanaraka amin’ny fahafahanao mamerim-bola ireo mpiara-miasa aminay, mba handraisanao fanapahan-kevitra sahaza.

Crédit KETRIKA :

  • Mpiasa raikitra nandritra ny 12 volana farafahakeliny, na mpiasam-panjakana misotro ronono latsaky ny 65 taona.
  • Mila 21 taona farafahakeliny, na zaza manambady ara-dalàna.
  • Manaja ny ampahany azo afindra “quotité cessible” (Tahan’ny vola alaina isam-bolana ≤ 30% an’ny karama raisina).

Crédit HERIJIKA:

  • Orinasa efa niodina nandritra ny 12 volana farafahakeliny.
  • Mila 21 taona farafahakeliny na zaza manambady ara-dalàna.
  • Monina sy manao ny asa fototra ao amin’ny faritra iadidin’ny PAOSITRA Finances (mirohy amin’ny masoivoho nanaovana ny fangatahana).

 Crédit KETRIKA :
Karapanondrom-pirenena (CIN);
Fanamarinam-ponenana (latsaky ny 3 volana);
Taratasy fanamarinan-karama 3 volana farany;
Fanamarinana asa.

Ho an’ny mpiasam-panjakana nisotro ronono:

  • dika mitovy ny karatra “pension”
  • dika mitovy ny karatra “pension de veuvage”+ “avis de crédit”
  • antontan-taratasy hafa arakaraka ny tranga misy.

Crédit HERIJIKA :
Karapanondrom-pirenena (CIN);
Fanamarinam-ponenana (latsaky ny 3 volana);
Fanamarinana ny loharanom-bola;
Antontan-taratasy hafa arakaraka ny tranga misy.

Ny antoka azo ekena dia : entana ao an-trano, fitaovana, fiara, moto ary tany.
Mety ho takiana ihany koa ny fananana mpiantoka.

  • Tahan’ny zanabola: 3.25% mihena isam-bolana.
  • Saran’ny fangatahana: 3% amin’ny totalin’ny fangatahana.
  • Saran’ny famerenana mialoha: 4% amin’ny vola sisa .
  • Sazim-pahantarana: 0.5% amin’ny vola sisa isaky ny andro fahatarana.

    Ataovy azo antoka ny famerenana ara-potoana ny vola nindramina mba hisorohana ny sazim-pahantarana.

Tsidiho ny masoivoho PAOSITRA Finances akaiky anao hametrahana ny fangatahanao.
Fifaliana ho anay ny mandray anao sy manampy anao.

Mifandraisa aminay

Immeuble Nassima II, 4ème étage, Golden Business Center, Alarobia Ivandry, Antananarivo 101
0 38 02 038 02

Araho izahay amin'ny tambazotra sosialy