Tontosa ny 5 sy 6 Novambra 2025 lasa teo ny famaranana ny fankalazana ny faha-30 taona ny PAOSITRA RAPIDA, tolotra fandefasana entana haingana eo anivon’ny Paositra Malagasy. Notanterahina tao ORTANA – Zaridaina Antaninarenina izany hetsika lehibe izany ary natrehin’ireo manampahefana sy mpiara-miombon’antoka maro, anisan’izany ny PAOSITRA Finances.
Fandraisana anjaran’ny PAOSITRA Finances
Nisolo tena ny PAOSITRA Finances tamin’ity fotoana ity Ramatoa ANDRIANAIVO Marià , Tale Jeneraly mpisolo-toerana sy ny ekipa niaraka taminy, izay nanotrona ny fanokafana ofisialy. Fandraisana anjara manamarika ny firaisankina sy fiaraha-miasa eo amin’ny PAOSITRA MALAGASY sy PAOSITRA Finances, izay samy mikendry ny hanome tolotra akaiky sy azo antoka ho an’ny vahoaka malagasy.
Nisy ihany koa ny fitsidihana ny tranoeva izay nanehoan’ny PAOSITRA Finances ireo tolotra ara-bola, indrindra fa ny fampindramam-bola Ketrika sy Herijika.
Fihaonana sy fifanakalozana Manakaiky, Manampy, Mampivoatra:
Mandritra ny fotoana nanokafana ny hetsika dia azon’ny mpitsidika natao ny:
- Nanontany momba ireo karazana fampindramam-bola omenay,
- Nahazo fanazavana momba ny fepetra sy ny dingana fangatahana,
- Nahafantatra ny tombontsoa azon’ny mpanjifa,
- Nijery ny maha-akaiky sy ny fahazoana misitraka mora amin’ny tolotra ara-bola atolotry ny PAOSITRA Finances.
Amin’izao fotoana izao dia efa manana masoivoho 23 misokatra manerana ny Nosy ny PAOSITRA FINANCES, hahafahana manakaiky hatrany ny Malagasy.
Fanamby sy fanoloran-tena
Ny fandraisana anjara tamin’ity fankalazana ity dia maneho hatrany ny fanoloran-tenan’ny PAOSITRA Finances hanohana ny Malagasy amin’ny tetikasa sy vinavina rehetra, ary hanamafy ny fandraisana anjara amin’ny fampidirana ara-bola eto Madagasikara.
IANAO PARE, VINANAO TRATRA E !


