Temps de lecture : 1 minute

Amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia zava-dehibe ny fananana fahaleovan-tena mivezivezy, ny asa sy ny fampiroboroboana ara-toekarena;
PAOSITRA Finances sy ny Auto Import dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasan’izy ireo mba hahafahan’ny Malagasy mividy motos amin’ny marika YCF sy Nitro azo aloha tsikelikely, azo idirana ary mifanaraka amin’ny filany.

Ity fifanaraham-piara-miasa izay natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 20 jona 2025 ity tao amin’ny Showroom Auto Import , ivandry dia natrehan’ny mpiara-miasa roatonta sy ny mpanao gazety.
Mikendry ny fidirana amin’ny vahaolana mahakasika ny fahafahana mivezivezy azo antoka, hoan’ny mpiasa-tena, ny mpikarama isam-bolana ary ireo tanora sy mpandraharaha izy ity.

Fantatra amin’ny kalitaon’ny moto atolony moa ny Auto Import, izay sady matanjaka no manaraka ny toetrandro.

Ny PAOSITRA Finances indray dia mitondra vahaolana ara-bola tompon’andraikitra , mifanaraka amin’ny filàna ary azon’ny rehetra idirana.
Ity vahaolana ity dia azon’ny rehetra sitrahana amin’ny toerana misy ny roatonta. Ary miditra amin’ny fampiroboroboana ny fampiatiana ara-bola sy ara-toe-karena hoan’ny mponina, amin’ny tanan-dehibe syn y manodidina azy.

Fisitrahana nohamoraina.

Ireo izay liana amin’ny tolotra dia afaka manantona ny Auto Import na PAOSITRA Finances mba hahazo fanazavana mahakasika ny tolotra. Rehefa vita ny safidy dia mahazo ny vidiny avy amin’ny Auto Import ary ho kirakirain’ny PAOSITRA Finances ny antotan-taratasy ary mety misy taratasy hafa mety ilaina.
Hampahafantarina ny mpanjifa amin’ny valin’ny fangatahany, ary raha ekena izany dia afaka miditra ami’nny fanaovana sonia ny taratasy fifanarahana ary omena eny amin’ny Auto Import ny fanalahidin’ny moto sy ny mahakasika azy.

Tolotra entina manamora ny fifamezivezena moa ity tolotra ity.