Temps de lecture : 2 minutes

✹Fitokanana ny Masoivoho faha-24 ny Paositra Finances.
🌟Fankalazana niarahana tamin’ny fitokanana ny Sambo Postaly ny Paositra Malagasy izay mampitohy Ankify – Nosy Be.
👉Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 13 Marsa 2026 lasa teo ny Masoivoho Nosy Be izay ahafahantsika eto misitraka ireo tolotra fampindramam-bola azo antoka.
📌Nisongadina nandritry ny lahatenin’i Rtoa Tale Jeneraly mpisolo toerana, MariĂ  Andrianaivo, ny maha samihafa ireo tolotra CrĂ©dit Ketrika sy CrĂ©dit Herijika, izay natao hanampy, hanatsara ary hampivoatra ny fiainana andavanandro.
📌Namafisin’Atoa Filohan’ny filankevim-pitantanana, Odilon Ndremanjary, kosa ny maha sarobidy ny fisian’ireo tolotra ireo ho an’ny vahoaka noho izy ireo tafiditra anatin’ny vina ny Ministera mpiahy, MNDPT, amin’ny fampidirana ara-bola ho an’ny rehetra, ny fanovĂ na ho rafitra nomerika ary ny fanomezana asa ho an’ny mponina izay nametrahana ny masoivoho tsirairay avy.
📱Efa tsy ho ela koa dia hisehatra anatin’ny fandraharana ny “Monnaie Ă©lectronique” ny Paositra Finances.
đŸŒ»Mankasitraka feno ireo tompon’andraiki-panjakana sy manam-pahefana isan-tsokajiny, niaraka tamin’ny mpitantana sy mpiara-miasa maro eo anivon’ny Paositra Malagasy sy ny Paositra Finances foibe nanome voninahitra izany fanokafana izany.
📱Tongava ary ao amin’ny La Poste Nosy Be fa efa parĂ© handray anareo tsara be izahay, isan’andro manomboka amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 4ora sy sasany hariva.

🌐https://www.facebook.com/PAOSITRAFinances

#manakaiky
#manampy
#mampivoatra