Nandray ny toerany anio 04 Febroary 2026 ny Sekretera Jeneraly vaovao eto anivon’ny PAOSITRA Finances: Atoa RAHARIHAJANARIVO Bongré, Inspecteur Principal des Postes.
Notontosaina androany ny fifamindram-pahefana, izay natrehan’ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny PAOSITRA Finances sy ny PAOSITRA Malagasy.
✅ Nisolo tena sy nanome voninahitra ny Paositra Malagasy tamin’izany :
– Atoa Rija ANDRIANASOLO, Tale Jeneraly mpisolo toerana
– Atoa Ny Andry RAJOELIMANANA, Tale Jeneraly Lefitra
✅ Ny Fitaleavana foibe eto anivon’ny PAOSITRA Finances kosa dia notarihin’ :
– Atoa Odilon NDREMANJARY, Filohan’ny Filankevim-pitantanana
– Rtoa Rojo Marià ANDRIANAIVO, Tale Jeneraly mpisolo toerana
– Rtoa Prisca RAHERINJATOVO, Tale Jeneraly Lefitra
– Rtoa sy Atoa isany Tale isan-tsokajiny
Hita taratra tao anatin’ny fandraisam-pitenenana nifandimby ny finiavana hanamafy sy hanatsara ny fifandraisana eo amin’ny Paositra Malagasy reniny sy ny PAOSITRA Finances ratsa-mangaika, ny fanatratrarana ny tanjona iraisana, ary ny fanohizana ny ezaka ho an’ny fampiatina ara-bola eto Madagasikara.
✨ Ny mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka dia faly miarahaba ny Sekretera Jeneraly vaovao, ary mirary fahombiazana sy ahefa be amin’ny andraikitra sahanina.
🌐https://www.facebook.com/PAOSITRAFinances
#manakaiky
#manampy
#mampivoatra


