Temps de lecture : 2 minutes

Amin’ny anjara fanoloran-tenany amin’ny fanomezana fampahaleovan-tena ara-bola ho an’ny vehivavy, ny PAOSITRA Finances, amin’ny alalan’ny hetsika AMPELA PARÉ, dia nikarakara andian’atrik’asa teo ambany lohahevitra hoe : “Microcrédit: sehatra ho an’ny fanamafisana ny fampahaleovan-tena ho an’ny vehivavy” ny Alakamisy 6 Martsa 2025 tao amin’ny CCIA Mahajanga ary ny Zoma 14 Martsa 2025 tao amin’ny Digital center, Antaninarenina.

Ireo hetsika ireo dia nanasana vehivavy mpandraharaha avy amin’ny sehatra samihafa sy ny vehivavy te hamolavola ny tetik’asa manokana, nizara sy nifampizara momba ny fanamby mifandray amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, ny fidirana amin’ny famatsiam-bola sy vahaolana mifanaraka amin’ny filany.

Ezaka iombonana ho an’ny fanomezana fahaleovan-tena ara-bola :

Ireo atrikasa ireo dia niarahana niasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka maro toa : EFOI (Entreprendre au Féminin Océan Indien)
MNDPT (Ministeran’ny Fampandrosoana Nomerika, Paositra ary Fifandraisandavitra)
Minisiteran’ny Mponina
Paositra Malagasy
CNFI (Fandrindrana Nasionaly momba ny Fitantanam-bola Iraisana)
IGA Conseil, manam-pahaizana amin’ny fanohanana ny fandraharahana
Ireo manam-pahaizana manokana momba ny fampiatiana ara-bola sy ny fanomezan-danja ny vehivavy,

AMPELA PARÉ: fanoloran-tena maharitra

Ny hetsika AMPELA PARÉ an’ny PAOSITRA Finances, dia mikendry ny hanamafy ny fizakantena ara-bolan’ny vehivavy . Ny hoe “Ampela” dia midika hoe ‘vehivavy’, ary ny hoe ‘Paré’ dia mampiseho ny fahavononana sy ny fanoloran-tena, mampiseho ny iraka ataonay mba hanampiana ny vehivavy hanorina ny fahaleovantenany ara-toekarena.

Tolotra manokana ho an’ny volan’ny vehivavy :

Mifanaraka amin’ireo hetsika ireo, misy tolotra manokana mandritra ny volana martsa 2025 : ny saram-pikarakarana dia maimaim-poana ho an’ny fangatahana fampindramam-bola rehetra napetraky ny vehivavy.

Ho an’ny fampiatiana ara-bola maharitra :

Amin’ny alalan’ny AMPELA PARÉ, manohy ny fanohanana ny vehivavy amin’ny fizakan-tena ara-toerakarena ny PAOSITRA Finances amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahafahana miditra amin’ny loharano sy famatsiam-bola ilainy mba hahatanteraka ny nofinofiny.