Manoloana ireo fanamby ara-angovo atrehan’ny tokantrano maro sy ireo orinasa madinika sy salantsalany ankehitriny, dia nomarihina tamin’ny fomba ofisialy, ny 21 novambra 2025 ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny PAOSITRA Finances an’ny vondrona Paositra Malagasy sy MBalik. Izany dia mikendry ny hampiely sy hampisitraka vahaolana azo antoka sy mora vidy ho an’ny rehetra.
Notanterahin’ dRtoa Maria ANDRIANAIVO, Tale Jeneraly mpisolo toerana an’ny PAOSITRA Finances sy Atoa Satanirina RAMANANATOANINA, Talen’ny MBalik, ny fanaovan-tsonia izay maneho mazava ny finiavan’ny roa tonta hiara-hiasa amin’ny fanandratana angovo madio, mora hidirana ary maharitra.
MBalik dia efa fanta-daza amin’ny vahaolana ara-masoandro ho an’ny tokantrano sy ny sehatra matihanina, ary manolotra karazana “kits solaires” maro mifanaraka amin’ny filàna andavanandron’ny fianakaviana.
PAOSITRA Finances kosa dia mitondra ny traikefany amin’ny sehatry ny fampindramam-bola sy ny tambajotran-draharahany amin’ny alalan’ny tolotra tsotra sy mora idirana, toa ny Crédit KETRIKA sy ny Crédit HERIJIKA.
Araka izany, dia ho hita ao amin’ireo masoivohon’ny PAOSITRA Finances 23 miparitaka amin’ny tanàna 8 manerana ny Nosy ireo kits solaires MBalik dia Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, Diego, Toliara, Manakara. I MBalik no miaindraikitra ny fanaterana, ny fametrahana maimaim-poana, ary manome antoka 2 hatramin’ny 3 taona, ka manome vahaolana feno sy azo antoka ho an’ny mpampiasa.
Tetikasa mitsinjo ny fampandrosoana maharitra
Manomboka ny volana desambra 2025 ka hatramin’ny desambra 2026, dia kits solaires maherin’ny 850 no vinavinaina hozaraina manerana an’i Madagasikara.
Ity tetikasa ity dia hanatsara ny fari-piainan’ny fianakaviana ary hanohana ireo singa famokarana madinika mila angovo marin-toerana mba hampivelarana ny asany.
Ity fiaraha-miasa ity rahateo dia mandray anjara mivantana amin’ireo Tanjona Fampandrosoana Lovain-jafy (ODD) maro, indrindra fa:
- ODD 7: Angovo madio sy mora vidy
- ODD 8: Asa mendrika sy fitomboana ara-toekarena
- ODD 10: Fampihenana ny tsy fitoviana
Mifanaraka tanteraka amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana mahakasika ny fanitarana herinaratra any ambanivohitra, ny fampisitrahana ara-angovo ary ny fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena izany.
Tolotra tsotra sy mora
Ireo mpanjifa liana amin’ny tolotra dia afaka manatona mivantana ny iray amin’ireo masoivoho PAOSITRA Finances hahalalana mahakasika ny tolotra.
Rehefa vita ny safidy ireo Kits solaires ireo, dia MBalik no mamolavola ny tetibidy ary alefa avy hatrany amin’ny PAOSITRA Finances ho karakaraina.
Manaraka ireo dingana mahazatra ny fizotran’ny famatsiam-bola:
• Fanamarinana ireo antontan-taratasy ilaina
• Fitsidihana ao an-trano na eo amin’ny toerana fiasana raha ilaina
• Fampahafantarana ny taratasy fifanekena na fandavana ny fampindramam-bola
Rehefa ekena izany, dia tanterahina ao amin’ny masoivoho PAOSITRA Finances akaiky indrindra ny fanaovana sonia ny taratasy fifanarahana.
Avy eo, MBalik no miandraikitra ny fanaterana sy ny fametrahana ny kit, ahafahan’ny mpanjifa mampiasa haingana ny fitaovany ara-masoandro.
Ny tanjona dia ny hanolotra vahaolana ara-angovo feno, azo antoka ary mora hidirana, amin’ny alalan’ny tolotra findramam-bola tsotra sy haingana.
Miaraka amin’ny PAOSITRA Finances an’ny vondrona Paositra Malagasy sy MBalik, dia mitombo ny fitaovana azo trandrahana ho an’ny rehetra hampiasana ny herin’aratra azo avy amin’ny masoandro.
Fampindramam-bola tompon’andraikitra ho an’ny ho avy mamirampiratra.




