Araka ny lalàna laharana 2014-038 nivoaka ny 9 Janoary 2015, momba ny fiarovana ny angon-drakitra manokana, ny PAOSITRA Finances dia miaro ny angon-drakitra manokana omen’ny mpitsidika ny tranonkalany, indrindra rehefa mameno taratasy mirakitra ny mombamoba azya na mameno taratasy fangatahana asa na rehefa mametraka fangatahan’asa teto amin’ny tranokala izy ireo.
Ny PAOSITRA Finances dia miantoka ny fiarovana ny tsiambaratelonao izay voarakitra ao amin’ny angon-drakitra manokana amin’ny fotoana rehetra ary misoroka ny fahaverezany, ny halatra, ny fampiasana, ny fampahafantarana, na ny fanovana tsy nahazoana alalana.
Ny angon-drakitrao manokana dia ampiasaina indrindra mba:
Ity angona ity dia tehirizina mandritra ny fe-potoana ara-dalàna fitazonana ny angona.
Azonao atao ny miditra amin’ny angon-drakitrao amin’ny fotoana rehetra, ny manitsy azy, ny mangataka ny fanesorana azy, na mandà ny fampiasana azy noho ny antony ara-drariny amin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny masoivohon’ny PAOSITRA FInances akaiky anao indrindra. Ny fahefana tsy miankina miaro ny angon-drakitra manokana, antsoina hoe ny Komisiona Malagasy momba ny Informatika sy ny Fahaalahana (CMIL), dia azo dia azo antonina raha misy fandikana ny fepetra mifandraika amin’ny fanodinana ny angona manokana.