Ireo mombamomba ny PAOSITRA Finances

PAOSITRA Finances dia orinasa misehatra amin’ny fampindramam-bola madinika araka ny fanomezan-dalana nomen’ny CSBF N°005/2023-CSBF du 04/09/2023, ary voarakitra anatin’ny lisitry ny mpandraharaha amin’ny fampindramam-bola madinika laharana : 015/IMF/C/24.

Anarana : PAOSITRA FINANCES
Endrika : Orinasa tsy anavahana anarana tarihin’ny filankevim-pitantanana
Renivola fototra : MGA 4.000.000.000
Ivon-toerana : 2, Rue Philibert Tsiranana Antaninarenina, Antananarivo 101, Madagascar
Laharana RCS : 2024 B 00095
NIF : 2018430046
Laharana statistika : 64193 11 2024 0 10096

Fepetra ankapoben’ ny fampiasana ny tranokala

Ity tranokala ity dia vohafehin’ny lalàna velona eto Madagasikara. Ireto Fepetra ankapobean’ny fampiasana ireto dia mifehy ny fidirana sy fampiasana ny tranokala.

Rehefa mampiasa ity tranokala ity ny mpampiasa dia manaiky ireo fepetra ankapobeny ireo.
Ireto fepetra ankapobeny ireto dia tsy manome alalàna ny mpampiasa azy, na mpivantana na ankolaka, ny fampiasana na fandikana ny singa tafiditra ao anatin’ny fisahan’asa ampiasaina saina voarakitra ato.

PAOSITRA Finances dia afaka manova ity fepetra ankapobeny ity amin’ny fotoana rehetra ary ny mpampiasa ity tranokala ity dia manaiky izany dia ny eny ampidirana.

1. Famaritana ny andraikitra
PAOSITRA Finances dia tsy tompon’andraikitry ny tsy fahafahana mampiasa ny tranokala, ny fahazoana antoka, ny fahamarinan’izay voalaza ato amin’ny tranokala ary ny  vokatradratsy ateraky ny fampiasan’ny mpampiasa azy materialy na rindrambaiko tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy.

2. Fisahan’asa ampiasana saina
Ny anarana sy ny sary famantarana ary ny tolotra rehetra mifandraika sy voaresaka eto amin’ny tranokala dia fananana ara-dalànan’ny PAOSITRA Finances.

3. Rohy
Ny tranokalanay dia misy rohy ahafahana miditra amin’ny tranokala hafa, izay tsy izahay no tompony;
Araka izany dia tsy tomponandraikitra izahay amin’ny tranokala izay hidiranao na izay vokatr’izany, indrindra raha misy virosy.
Izahay ihany koa dia tsy tompon’andraikitra amin’izay rohy mitondra mankany amin’ny tranokalanay ary mandrara na iza na iza hametraka izany raha tsy misy fanomezan-dàlana mazava avy aminay.

4. “Cookies”

Ny fijerena ity tranonkala ity dia mety hiteraka fametrahana “cookies” amin’ny solosainan’ny mpampiasa.
Ny “cookies” dia rakitra kely izay tsy ahafahana mamantatra ny mpampiasa, fa mitahiry ireo vaovao mifandraika amin’ny fitsidihana ataon’ny solosaina amin’ny tranonkala. Ny angona azo dia mikendry ny hanamora ny fijerena manaraka amin’ny tranokala. Ny fandavana “cookie” dia mety hiteraka tsy fahafahana miditra amin’ny tolotra sasany.

5. Fitsarana mahahefa

Ny olana rehetra mikasika ny fananan-kery, ny fanakaran-kevitra na ny fanatanterahana ity Fifanarahana ity dia entina eny amin’ny fitsarana ao Antananarivo, raha toa tsy misy fifanarahana vokatry ny raharaham-pihavanana eo amin’ny PAOSITRA Finances sy ny mpampiasa.

Mifandraisa aminay

Immeuble Nassima II, 4ème étage, Golden Business Center, Alarobia Ivandry, Antananarivo 101
0 38 02 038 02

Araho izahay amin'ny tambazotra sosialy