PAOSITRA Finances dia ivon-toerana “microfinance” nahazo fankatoavana avy amin’ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) ao amin’ny Banky Foibe, misahana ny fampiatiana ara-bola eto Madagasikara.
Manolotra vahaolana fampindramam-bola ho an’ny mpiasa sy ny mpandraharaha izahay.
Fanakaikaizana sy fampivoarana :
Ho fanakaikaizana ny mpanjifa, dia miparika amin’ny tanana lehibe 8 eto Madagasikara izahay ary misy masoivoho 23.
Ny tanjona dia ny hiparihahana amin’ny masoivoho 250 manerana ny tambajotran’ny PAOSITRA Malagasy.
Amin’ny fampiasana ny fanohitra nomerika, dia manamora ny fidirana amin’ny tolotra ara-bola izahay.
Vina ho an’ny ho avy :
Mifanaraka amin’ny Plan Stratégique du Numérique (PSN) 2023-2028 sy ny Stratégie Nationale d’Inclusion Financière de Madagascar (SNIM) 2024-2028, dia miasa ho amin’ny fanamafisana ara-bola maharitra izahay. Ny tanjona dia ny hivoatra ho any amin’ny maodelin’ny banky postaly, izay manolotra vokatra sy tolotra mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena eto amin’ny firenena.
Ny Malagasy rehetra misitraka tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filany mba hitondra any amin’ny fampivoarana ara-ekonomika sy ara-tsosialy tsy manavaka.
Manome tolotra ara-bola ho an’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fandraisana miavaka.
Manakaiky, Manampy, Mampivoatra (Proximité, Accompagnement, Progrès).
Amin’ny maha mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-bola eto Madagasikara, ny PAOSITRA Finances dia manao fanamby amin’ny fahatanterahan’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD).
Manome tolotra mifanandrify amin’ny filàna, ary mandray anjara amin’ny fanenana ny fahantrana, amin’ny fampitovianjo ara-pananahana ary ny fampivoharana ara-ekonomika tsy manavaka.
Ireo tolotra omenay dia manampy amin’ny fampizakan-tena ny vehivavy ary ny fanatsarana ny farim-piainan’ny vahoaka.