Mazava ny fanoloran-tena an’ny PAOSITRA Finances : manohana ny tanjona ho an’ireo mpanjifa sy manampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany.
Mba hahafahana mamaly ny filan’ireo mpanjifa izay tsy mitsahatra mivoatra hatrany, dia manambara amin’ny hafaliana izahay fa hisy fiakarana ny vola ambony indrindra azo indramina, izany dia manankery nanomboka ny 01 febroary 2025.
Vahaolana ara-bola mifanaraka amin’ny fanantenan’ny mpanjifa : amin’ny maha zava-dehibe ny fangatahana avy amin’ny mpanjifa, dia nampiakarina ny fetra ambony indrindra amin’ny fampindramam-bola:
Ho an’ny Credit Ketrika : dia miakatra ho 10 tapitrisa Ariary. Natokana ho an’ny mpiasa mandray karama isam-bolana ity tolotra ity ary manome fahafahana lehibe kokoa amin’ny fanohanana ny tetikasa manokana sy ny fianakaviana.
Ho an’ny Credit Herijika : dia miakatra ho 50 tapitrisa Ariary. Natokana ho an’ny mpandraharaha sy ny orinasa madinika, manohana ny tetikasany amin’ny fitomboana, ny fampiasam-bola ary ny fandrosoana.
Misy tombony lehibe manampy amin’ny fahafaham-po ny mpanjifa izany fampiakarana izany. Miaraka amin’ny tahan-jana-bola manintona ary mangarahara.
Fepetra famerenam-bola mifanaraka amin’ny filànao sy ny toe-bolanao.
Tanterao ny vinanao miaraka amin’ny PAOSITRA Finances: sitrao ireo tolotra misy ho anao mpanjifanay mba hahatanteraka ny nofinofiny sy hahatratra ny tanjonao.
Tsidio ny masoivoho PAOSITRA Finances akaiky indrindra anao. Vonona ny ekipa eny an-toerana hanome torohevitra sy hanampy anao hisafidy ny fampindramam-bola mifanaraka amin’ny filànao.