Temps de lecture : 2 minutes

Teo anelanelan’ny volana Septambra sy Desambra 2024, dia nanokatra masoivoho 20 vaovao ny PAOSITRA Finances mba handray ny fangatahana sy hanolorana fampindramama-bola. Ity firoboroboana haingana ity dia manaporofo ny fanoloran-tenanay hifandray akaiky amin’ny mpanjifa.

Tambajotra lehibe mba hanakaiky anao kokoa:

Amin’izao fanaparihahana izao, dia manamora ny fidirana amin’ny tolotra ara-bola ho an’ny Malagasy maro kokoa izahay. Na any Antananarivo,na Antsirabe, na Fianarantsoa, na Toamasina, na Mahajanga na Diego ianao, dia efa misy Masoivohon’ny PAOSITRA Finances akaiky anao avokoa.

Fiaraha-miasa stratejika:Ity fandrosoana ity dia mifamatotra akaiky amin’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpiahy dia ny Paositra Malagasy, izay manome anay ny fahafahana hanangana ny sampan’asa ao anatin’ny masoivohon’izy ireo.

Ity fiaraha-miasa ity dia manome antoka amin’ny fidirana amin’ny tolotra ara-bola maro be ao amin’ny biraon’ny paositra, toa ny Tahiry, ny Chèque postaux, ny fandefasana sy fandrasaim-bola avy any ivelany, ary izao ihany koa, ny Crédit Ketrika sy Crédit Herijika.

Masoivoho vaovao nosokafana:
Antananarivo: Antaninarenina, Analakely, Ambanidia, Antanimena, Andravoahangy, Sabotsy Namehana, Andranonahoatra, Andoharanofotsy
Antsirabe: Masoivoho eo amin’ny Avenue de l’Indépendance sy Asabotsy
Fianarantsoa: Masoivoho mifanila amin’ny gara sy Tsianolondroa
Toamasina: Masoivoho Anjoma, Ambolomadinika
Mahajanga: Masoivoho mifanila amin’ny katedraly, Maritime (akaiky ny seranana) sy Mahabibo
Diego: Masoivoho Bloc Administrative sy Manongalaza

Tolotra mifanaraka amin’ny filanao:
Amin’ireny Masoivoho ireny, dia vonono mandray anao sy manampy anao amin’ny tetikasa rehetra ny ekipanay . Vonona hanolotra vahaolana ara-bola mifanaraka amin’ny filanao.

Ireo tolotra misy :

Credit Ketrika: vahaolana amin’ny famatsiam-bola ho an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina , mpiasam-panjakana ary mpandray fisotroan-dronono.

Crédit Herijika:Fampindramam-bola ho fanohanana ny mpandraharaha tsirairay, mpivarotra, mpanagom-bokatra sns.

Fanamby iray: fampiatiana ara-bola tsy manavaka.

Amin’ny fanitarana ny tambajotranay, dia manamafy ny fanoloran-tenanay amin’ny fampiatiana ara-bola eto Madagasikara izahay.
Ny iraka napetraka ho anay rahateo dia ny hahatonga ny tolotra ara-bola ho azo idirana ho an’ny rehetra, anisan’izany ny fiaraha-monina marefo ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Miaraka amin’ny PAOSITRA Finances, azonao antoka ny hahatratra ny tanjonao ara-bola!
Fanokafana ny masoivoho Antanimena10 Oktobra 2024
Fanokafana ny masoivoho Andravoahangy10 Oktobra 2024
Fanokafana ny masoivoho Ambanidia17 Oktobra 2024
Fanokafana ny masoivoho Analakely21 Oktobra 2024
Fanokafana ny masoivoho Andoharanofotsy15 Novambra 2024
Fanokafana ny sampana Andranonahoatra15 Novambra 2024